<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Raiko ô ! FF15</title>
<lyrics>[V1]
 Tompo Malala Tsitoha, inty aho
 Izao vao nandre ilay feo niantso ahy
 Tsapako anatiko ao ny herinao
 Mitaona ahy mba hiverina Aminao.
 Raiko ô ! Raiko ô ! Inty aho
 Raiso mba ho isan'ireo zanakao
 Fa izaho 'zay nania dia hiova
 Hanaraka ny didinao Ray ô!

[V2]
 Jesosy Zokiko ô ! Raiso aho
 Ho isan'ireo zandrinao tianao
 Neniko ireny taloha fa hiova aho
 Raiso aho ! Raiso aho Jeso ho Anao.
 Tompo ô! Tompo ô! Inty aho
 Raiso mba ho isan'ireo zandrinao
 Fa izaho 'zay nania dia hiova
 Hanaraka ny didinao Jeso!</lyrics>
<hymn_number>15</hymn_number>
</song>